Résurrection du Seigneur (Dimanche de Pâques)
Le Christ est ressuscité! Alléluia. Alléluia! Ce dimanche de Pâques, nos soeurs de la communauté Anosizato,(Tana- Madagascar)
« Il fallait que Jésus ressuscite d’entre les morts » |
|
Évangile de Jésus Christ selon saint Jean (Jn 20, 1-9) Le premier jour de la semaine, |
![]() |
Ny evanjelista milaza hoe : andro voalohany…, izany hoe azo adika hoe fanombohan’ny tantara vaovao. Ny raha hitan’i M.Madeleine : varavaram-pasana nisokatra. Kanefa andro mialohan’io dia vavolombelona ny fomba nametrahana ny fatin’i Jesoa izy. Ny andro voalohany dia nanasa azy ireo hihazakazaka, hiverin-dàlana, hijery ary hamantatra zava-baovao. Nisy zavatra niova ary mila fotoana hahafahana mahazo izany.
M.Madeleine namakivaky haizina fa ny tanjony dia ny hahita ny vatan’i Jesoa : nihazakazaka tany am-pasana, nihazakazaka nampilaza tamin’ireo mpianatra roa lahy. Tsy maintsy nanao izany rehetra izany izy mba ho afaka handray ny teny hoe : “Nahita ka nino”. Tsy natahotra faty izy.
Ny zavatra niainan’ny mpianatra roa lahy dia manambara amintsika fa tsy indray mandeha no ahafahana mino fa nandresy ny fiainana, tafatsangan-ko velona i Jesoa : lambam-paty nivalogno... tsisy raha misaritaka fa tanteraka amin’ny fotoana. Amin’ny fiaintsika an-davanandro dia mandalo haizina isika, fahabangana, tsy fitovizan-kevitra, herisetra, ahoana àry no hahatongavan’ny fiainana eo, hamalona ireo rehetra ireo mba ho tafatsangana isika ?
Araka ny soratra masina, tsy maintsy mitsangana amin’ny maty i Jesoa, akory atao hahatsiarovana ny Teny mitondra fiainana, mino sy manantanteraka azy amin’ny fiainana ?
Voaantso hijery sy hamantatra ny endriky ny fiainana isika mba hinoantsika. Izany hoe miezaka mihoatra ny tahotra amin’ny alalan’ny fifampitokisana, mihoatra ny fifandirana sy ady amin’ny alalan’ny fandraisana sy fanajana ny hafa.
Soyons dans la Joie et la Paix pascale
Communauté Anosizato,(Tana- Madagascar)