VAVAK'I MOMPERA ANTOINE CHEVRIER
Ry tenin'Andriamanitra ! Ry Kristy Tompo ! Tsara marina Ianao ! Tena lehibe tokoa Ianao ! Zovy no afaka hafantatra anao tanteraka ? Zovy no afaka ahazo sy halala ny teninao ? Ataovy mahafantatra ka mankatia anao ry Kristy. Satria ianao no fahazavana, Avelao mba hanilo ny Fanahiko ny tsirim-pahazavanao Andriamanitra Mba hafahako mahita maso sy mahazo ary mahalala anao. Ametraho finoana anao lehibe ato amiko, mba hanjary fanilo manazava ahy ireo teninao Ary hitarika ahy hanatona anao Ka hanara-dia anao amin’ny lalan'ny rariny sy ny marina rehetra aho. Ry Kristy Tompo ! Ry Tenin'Andriamanitra ! Ianao no Tompoko sy Mpampianatra ho ahy tokana. Mitena re, vonona hiaino sy hanatanteraka ny teninao amin'ny asa ataoko aho. Vonona hiaino ny teninao Andriamanitra aho, satria fantatro fa teny avy any An-danitra izany. Vonona hiaino azy aho, handinika, hanatanteraka azy, Satria misy fiainana, misy hafaliana, misy fiadanana sy fahasambarana ao amin'ny Teninao. Mitenena Tompo ô, Ianao no Tompoko sy Mpampianatro ary tsy te hiaino afa tsy Ianao aho.
|
|
