5ème dimanche de Pâques
« Celui qui demeure en moi et en qui je demeure, celui-là porte beaucoup de fruit » (Jn 15, 1-8)
Ce dimanche de Pâque, nos soeurs de la communauté de Kianjavato à Madagascar
|
|
Évangile de Jésus Christ selon saint Jean 15, 1-8 Izaho no tena foto-boaloboka, |
![]() |
“Jesoa Kristy no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly ary isika no sampana ». io fanoharana ataon’i Jesoa io dia mampiray antsika tanteraka aminy sy ny Rainy. Ny zava-maniry dia mila fototra, fikarakarana, mamoaka ny hatsaràny ary mamoa.
- Izaho : Jesoa tena olombelona manambara ny maha Andriamanitra azy. Fanehoana feno fa miombon’aina tanteraka aminy isika raha tafaray aminy.
- voaloboka ao amin’ny TT dia maneho fitiavan’andriamanitra ny vahoaka israely, maneho hafaliana, fiainana. Maka ohatra ho foto boaloboka i Jesoa, fototry ny fiainantsika, manome antoka ny fahavokarantsika raha miray aminy. Raha velona ny fototra dia tsisy zavatra tokony hahafaty ny sampana raha tsy hoe tapaka, nihataka amin’ny fototra. Ambaran’i Jesoa mazava ny zavatra hanjo ny sampana mihataka : fahamainana, fahafatesana ary fahalevonana.
izay mamoa dia rantsanina: satria izy mihitsy no mikarakara ny sampana amin’ny fanomezany azy izay rehetra ilaina mba hamokarany. Voninahitry ny Ray ny fahavokarantsika sy ny fifikarantsika amin’i Jesoa. Indraindray adinontsika fa tia antsika izy, tsy omentsika toerana amin’ny fiainantsika, ka lasa maina y fiainana, fa Jesoa dia miantso antsika hiray aminy.
Hoy izy :” Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be”: fiombonana tanteraka aminy. Ny fianarana ny Teniny, ny vavaka dia mampiombona antsika amin’i Kristy. Fahaizana mandray Azy mba hahafahany manatanteraka ao amintsika izay irintsika.
ireo fitaovana entintsika mitoetra ao aminy : ny fianarana ny teniny, fandinihana azy ary ny fiainana azy amin’ny fiainana an-davanandro.
mitaky ezaka famolahan-tena izany, tsy vita raha tsy anaty fahatokisana sy fanantenana azy tanteraka. Izay rehetra te hamokatra ka mahatsapa ny fahalemena ary mamela ny famindraàpon’Andriamanitra hikoriana ao anatiny dia hahazo vokatra tsara.
Communauté de Kianjavato -Madagascar