13ème dimanche du Temps Ordinaire, 27 juin 2021
Ce dimanche, nos soeurs de la communauté de Vohilengo à Madagascar nous partagent leur joie et leur découverte de l'Evangile...
Evanjely masina nosoratan’i Md. Marka 5. 21 – 43
Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy. Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy. |
![]() |
- « Marary am-bavahaona ny zanako ka tongava ianao hanasitrana azy » : fihetsika maneho finoana st fahatokisana. Fihetsika ahitàna fanetren-tena hanatona an’i Jesoa, miankohoka eo an-tongony mba hangata-bonjy aminy : hamerina ny aina ho an’ny zanany.
- Fantany sy inoany ny fahefana anànan’i Jesoa, afaka manala ny zavatra mangeja ny olona izy.
- Fanànan’ilay vehivavy herim-po sy fanentren-tena dia zava-dehibe : ny faniriany te ho sitrana dia tsy nijanona tamin’ireo ezaka tsy nahomby efa nataony fa nanohy izany mba hahatongavany amin’ny fahasitranany sy hiverenany amin’ny maha izy azy.
- Fa tsy mandehaho azy izany, mitaky faharetana, herim-po sy fahamarinana : « nambàarany azy ny marina rehetra ». Ny fihetsik’i Jesoa eto dia ny hanoritra ny ezaka rehetra nataon’ilay vehivavy.
- Ny faniriantsika olombelona te hiaina dia misy fiantraikany amin’i Jesoa, izany hoe ny fahatongavany ho nofo dia midika ny fanikmezany manontolo ny ainy fa tsy ny fiarahany fotsiny eo anivontsika.
- Tsy nampoizin’i Jesoa ny finoan’ity vehivay ity, vokatry ny herim-po nanànany dia nandray anjara amin’ny asa fanavotana ihany ko aizy : ‘ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana am-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao. »
- Tsy avelan’i Jesoa ho very ny ezaka ataontsika eny na dia kely aza ary na dia mitaky faharetana ihany koa indraindray tahaka ity lehiben’ny fiangonana ity, fantany izany ary izy mihitsy no mankahery : « aza matahotra… »
- Ny zanakavavin’i Jaïra : nitsangana noho ny baikon’i Jesoa. nasainy nitsangana mba hanafahany miaina zava-baovao ary teo anatrehan’ny ray sy reniny.
- Nasain’i Jesoa nomena hanina izy : naveriny eto ny andraikitra maha ray sy reny azy ireo ary asehony ihany koa fa tsy manao « magie » akory izy fa mamerina ny ain’ny zazavavy, izay eo amin’ny taona hahafahana mandrafitra ny ho avy.
- « Nahoana no mitabataba sy mitomany ianareo… », eto i Jesoa dia manohina ireo olona hisaina amin’ny fomba vaovao manoloana ny zava-mitranga : ahoana no ahafahana mino fa misy ny fiainana eo am-piatrehana fahafatesana ? Ny fisian’ilay Tompon’nay aina eo anivontsika ihany no hahafahantsika maneho fa Izy irery ihany no afaka mamerina ny aina. Ny angatahany amintsika dia ny finiavana, ny faharetana ary finoantsika …..
- Amin’izao vanim-potoana izay mampisongadina fa « ny mahomby dia ireo izay mahafehy ny fotoana », ahoana no hampitomboana ny herim-po sy ny finoana hahafahana mamakivaky sy mihoatra ireo andian-kevitra na fampanantenana poak’aty mba hahatongavana amin’i Jesoa izay loharanon’ny fahamarinana sy fitiavana ?
- Enga anie isika hangataka fahasoavana tahaka nanànan’io lehiben’ny siangaoga sy ilay vehivavy izay nanana faharetana ka tonga teo an-tongotr’i Jesoa nitondra ny zavatra nanahirana azy ireo.
Communauté VOHILENGO, Madagascar